Fanomezam-pahasoavana Jereo koa Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy; Fanomezana ny Fanahy Masina Manome ny olona fitahiana sy fanomezana maro Andriamanitra. Misy maro ny fanomezam-pahasoavam-panahy, 1 Kor. 12:4–10. Katsaho fatratra ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra, 1 Kor. 12:31. Ny fanomezam-pahasoavana lavorary rehetra dia avy amin’ Andriamanitra, Jak. 1:17. Ny herin’ny Fanahy Masina dia fanomezan’ Andriamanitra, 1 Ne. 10:17. Ireo izay milaza fa tsy misy ny fanomezam-pahasoavana dia tsy mahalala ny filazantsaran’i Kristy, Môrm. 9:7–8. Ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra dia avy amin’i Kristy, Môrô. 10:8–18. Ny fiainana mandrakizay no lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra, F&F 14:7 (1 Ne. 15:36). Ny fanomezam-pahasoavana dia omena ho an’ireo izay tia ny Tompo, F&F 46:8–11. Ny rehetra dia tsy nanana ny fanomezam-pahasoavana rehetra omena ho azy ireo, F&F 46:11–29.