Voafidy (matoanteny) Jereo koa Afaka; Antso, Antsoin’ Andriamanitra; Safidy Rehefa mifantina na mifidy olona na vondron’olona ny Tompo dia mazàna antsoiny koa izy ireo mba hanompo. Fidionareo anio izay hotompoinareo, Jos. 24:15 (Almà 30:8; Mos. 6:33). Efa nizaha toetra anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho, Isa. 48:10 (1 Ne. 20:10). Maro no antsoina nefa vitsy no fidina, Mat. 22:14 (Mat. 20:16; F&F 95:5; 121:34, 40). Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo, Jao. 15:16. Ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry, 1 Kor. 1:27. Nofidiany isika fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, Ef. 1:4. Afaka isika na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana, 2 Ne. 2:27. Ireo ambony sy lehibe dia nofinidy tany am-piandohana, F&F 138:55–56. Nofidian’ Andriamanitra i Isiraely, Mos. 1:26. Efa nofinidy talohan’ny nahaterahany i Abrahama, Abr. 3:23.