Olona Novana Olona novana mba tsy handalo fanaintainana na fahafatesana mandrapahatongan’ny fitsanganany ho amin’ny tsy fahafatesana. Ary niaraka nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra, Gen. 5:24 (Heb. 11:5; F&F 107:48–49). Tsy misy olona mahalala ny fasan’i Mosesy mandraka androany, Deot. 34:5–6 (Almà 45:19). Elia niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra, 2 Mpan. 2:11. Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany, Jao. 21:22–23 (F&F 7:1–3). Tsy hanandrana fahafatesana na oviana na oviana ianareo, 3 Ne. 28:7. Mba tsy hahazoany manandrana fahafatesana dia nisy fiovana natao tamin’ny vatany, 3 Ne. 28:38 (4 Ne. 1:14; Môrm. 8:10–11). Ho velona i Jaona ilay lalaina mandra-piavin’ny Tompo, F&F 7. Izaho efa naka an’i Zionan’i Enoka ho eo an-tratrako, F&F 38:4 (Mos. 7:21, 31, 69). Tanàna voatokana mandra-pahatongan’ny andron’ny fahamarinana i Enoka sy ireo rahalahiny, F&F 45:11–12. Elia Mpaminany izay nalaina ho any an-danitra ka tsy nanandrana fahafatesana, F&F 110:13. Ary nilatsaka tamin’ny maro ny Fanahy Masina ary izy ireo dia nakarina ho ao Ziona, Mos. 7:27.