Halemem-panahy Jereo koa Faharetana; Fanetrentena; Fo Torotoro Matahotra an’ Andriamanitra, marin-toetra, manetry tena, azo ampianarina ary manam-paharetana amin’ny fahoriana. Vonona hanaraka ny fampianaran’ny filazantsara ireo malemy fanahy. I Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy, Nom. 12:3. Ny mpandefitra no handova ny tany, Sal. 37:11 (Mat. 5:5; 3 Ne. 12:5; F&F 88:17). Mitadiava an’ny Tompo hianareo mpandefitra rehetra, tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana, Zef. 2:3 (1 Tim. 6:11). Mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho, Mat. 11:29. Vokatry ny Fanahy ny fahalemem-panahy, Gal. 5:22–23. Ny mpanompon’ny Tompo dia tokony ho malemy fanahy, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy, 2 Tim. 2:24–25. Ny fanahy malemy sady miadana dia soa indrindra eo imason’ Andriamanitra, 1 Pet. 3:4. Manaisotra ny olona araka ny nofo sy tonga malemy fanahy, Môzià 3:19 (Almà 13:27–28). Nandidy an’i Helamàna Andriamanitra hampianatra ny olona ho malemy fanahy, Almà 37:33. Ampy ho an’ny malemy fanahy ny fahasoavan’ny Tompo, Ete. 12:26. Manam-pinoana an’i Kristy ianareo noho ny fietrenareo, Môrô. 7:39. Tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po, Môrô. 7:44. Ny famelana ny fahotana dia mitondra halemem-panahy; ary noho ny halemem-panahy dia tonga ny famangian’ny Fanahy Masina, Môrô. 8:26. Mandehana amin’ny halemem-panahiko, F&F 19:23. Ento amin’ny halemem-panahy ny tokantranonao, F&F 31:9. Ny hery sy ny fitaoman’ny fisoronana dia tanana amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po, F&F 121:41.