Misaotra Jereo koa Fitahiana; Fitsaohana Fankasitrahana noho ny fitahiana azo tamin’ Andriamanitra. Mahafaly an’ Andriamanitra ny fanehoana fankasitrahana, ary ampahany amin’ny fivavahana marina ny fisaorana Azy. Tokony hisaotra ny Tompo amin’ny zava-drehetra isika. Tsara ny hiderana ny Tompo, Sal. 92:1. Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika, Sal. 95:1–2. Misaora Azy, mankalazà ny Anarany, Sal. 100. Aza mitsahatra misaotra, Ef. 1:15–16. Aoka ho feno fisaorana hianareo, Kol. 3:15. Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fisaorana sy ny haja anie ho an’ Andriamanitsika, Apôk. 7:12. Ô tsy mainka va ny tokony hisaoranareo ny Mpanjakanareo any an-danitra, Môzià 2:19–21. Miainà ao amin’ny fanati-tsaotra isan’andro, Almà 34:38. Ary rehefa miarina ianao amin’ny maraina, aoka ny fonao ho feno fisaorana an’ Andriamanitra, Almà 37:37. Tokony hanao ny zavatra rehetra amin’ny vavaka sy ny fankasitrahana ianareo, F&F 46:7. Tsy maintsy manolotra fisaorana an’ Andriamanitra ianareo, F&F 46:32. Ataovy amim-pisaorana ireo zavatra ireo, F&F 59:15–21. Raisiny avy amin’ny tanan’ny Tompo izany fitahiana izany, amin’ny fo feno fisaorana, F&F 62:7. Ary izay mandray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra, F&F 78:19. Misaora amin’ny zava-drehetra, F&F 98:1 (1 Tes. 5:18). Miderà ny Tompo amin’ny vavaka fiderana sy ny fanateran-tsaotra, F&F 136:28.