Antia-Nefia-Lehia Jereo koa Amôna, Zanakalahin’i Môzià; Helamàna, Ireo Zanakalahin’i; Môzià, Zanakalahin’i Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, anarana nomena an’ireo Lamanita izay novain’ireo zanakalahin’i Môzià fo. Taorian’ny fiovam-pony, ireo olona ireo, izay natao koa hoe ny vahoakan’i Amôna, dia nahatoky nandritra ny fiainany (Almà 23:4–7, 16–17; 27:20–27). Nandray ny anarana hoe Antia-Nefia-Lehia izy ireo, Almà 23:16–17; 24:1. Nandà ny handatsa-dra izy ireo ary nandevina ny fiadiany, Almà 24:6–19. Niomana ho amin’ny ady ny zanakalahiny ary nifidy an’i Helamàna ho mpitondra azy ireo, Almà 53:16–19; 56–58 (ireo zanakalahiny ireo dia fantatra koa amin’ny zatovo lahy miaramila 2000).