Tarehy Tontalin’endriky ny olona iray izay matetika ahitana taratra ny toe-panahiny sy ny toe-tsainy. Niampanga azy ny tarehiny, Isa. 3:9. Nivaloarika ny tarehin’ny mpanjaka ary nanenjika azy ny eritreriny, Dan. 5:6. Tahaka ny tselatra ny tarehiny, Mat. 28:3. Ny tarehiny dia tahaka ny masoandro, Apôk. 1:16. Moa va ny endrik’ Andriamanitra efa nisoritra teo amin’ny tarehinareo, Almà 5:14, 19. Nahita i Amôna fa niova ny tarehin’ny mpanjaka, Almà 18:12. Mifadia hanina sy mivavaha amin’ny fo falifaly sy ny tarehy miramirana, F&F 59:14–15. Ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro, F&F 110:3.