Afaka Jereo koa Fahababoana; Fahalalahana; Safidy Fahefana na fahaizan’ny tena manao safidy tsy misy fanerena. Eo amin’ny heviny ara-panahy: ny olona izay mibebaka sy manao ny sitrapon’ Andriamanitra dia afaka amin’ny famatoran’ny ota noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Môzià 5:8). Ny marina no hanafaka anareo, Jao. 8:32. Ireo izay afaka amin’ny ota no mandray fiainana mandrakizay, Roma. 6:19–23. Sampana marina iray avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely no hoentina hiala ny fahababoana ho amin’ny fahafahana, 2 Ne. 3:5. Niantso ny Tompo ho an’ny fahafahany izy ireo, Almà 43:48–50. Môrônia dia nifaly tamin’ny fahafahan’ny taniny, Almà 48:11. Ny Fanahin’ Andriamanitra no fanahin’ny fahafahana, Almà 61:15. Manaraha Ahy, dia ho olona afaka ianareo, F&F 38:22.