Rahavavy Jereo koa Olona; Rahalahy; Vehivavy Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, dia mpirahalahy sy mpirahavavy ara-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra. Ao amin’ny Fiangonana, dia antsoina matetika hoe rahavavy ny vehivavy mpikambana na naman’ny Fiangonana. Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko, dia izy no rahalahiko sy anabaviko, Mat. 12:50 (Mar. 3:35). Nampahafantarina ny lalàna izay mifehy ny fibabohan-keloka eo amin’ny rahalahy sy ny rahavavy ao amin’ny Fiangonana, F&F 42:88–93.