Faharetana Jereo koa Halemem-panahy; Maharitra Fiaretana amim-pahatoniana; fahaizana miaritra fahoriana na faniratsirana na fandratrana ka tsy mitaraina na mamaly faty. Miantombena ao amin’ny Tompo, miandrasa Azy amim-paharetana, Sal. 37:7–8. Be saina izay mahatsindry fo, Ohab. 14:29. Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo, Lio. 21:19. Manana fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina isika, Roma. 15:4. Fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana, Heb. 6:12–15. Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, Jak. 1:2–4. Efa renareo ny faharetan’i Joba, Jak. 5:11. Nanaiky tamin-kafaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra izy ireo, Môzià 24:15. Nozakainao tamim-paharetana ireo zavatra rehetra ireo, satria nomba anao ny Tompo, Almà 38:4–5. Mitozoa ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka, F&F 67:13.