Toetry ny hasambarana lehibe vokatry ny fiainana mandala fahamarinana. Ny tanjon’ny fiainana mety maty ho an’ny olon-drehetra dia ny hanana fifaliana (2 Ne. 2:22–25 ). Avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany ny fifaliana feno (Jao. 15:11 ; F&F 93:33–34 ; 101:36 ).
Mitondra vaovao mahafaly ho anareo aho, dia fifaliana lehibe, Lio. 2:10 .
Tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo, Jao. 16:22 .
Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, Gal. 5:22 .
Ny voany dia nameno hafaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko, 1 Ne. 8:12 .
Misy ny olona mba hahazo fifaliana, 2 Ne. 2:25 .
Ny fifalian’ny marina dia ho feno mandrakizay, 2 Ne. 9:18 .
Mahazo miara-mitoetra amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana izy ireo, Môzià 2:41 .
Hafoiko izay rehetra ananako mba hahazoako mandray izany fifaliana lehibe izany, Almà 22:15 .
Angamba mba mety ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra aho ka hitondra fanahy hankamin’ny fibebahana, ary izany no fifaliako, Almà 29:9 .
Endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako, Almà 36:20 .
Ny Fanahiko dia hameno fifaliana ny fanahinao, F&F 11:13 .
Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, F&F 18:15–16 .
Eto amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo, F&F 101:36 .