Mampita fahalalana amin’ny hafa, indrindra momba ireo fahamarinan’ny filazantsara, ary mitarika azy ireo ho amin’ny fahamarinana. Tokony hotarihin’ny Fanahy ireo izay mampianatra ny filazantsara. Mpampianatra avokoa ny ray aman-dreny rehetra eo anivon’ny ankohonany. Tokony hikatsaka sy ho vonona ny handray fampianarana avy amin’ny Tompo sy ireo mpitondrany ny olomasina.
Fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra ianao, Jao. 3:2 .
Ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va, Roma. 2:21 .
Nampianarina ahy avokoa ny fahalalan’ny raiko, 1 Ne. 1:1 (Enô. 1:1 ).
Ireo mpisorona sy mpampianatra dia tsy maintsy mampianatra ny vahoaka amin’ny fahazotoana fandrao hovaliana ambony lohany ny fahotan’ireo, Jkb. 1:18–19 .
Mihainoa ahy ary sokafy ny sofinareo, Môzià 2:9 .
Hampianatra ny zanakareo hifankatia sy hifanompo ianareo, Môzià 4:15 .
Aza matoky olona ho mpampianatra raha tsy olon’ Andriamanitra izy, Môzià 23:14 .
Ny Tompo dia nampidina ny Fanahiny tambonin’ny tany manontolo mba hanomana ny fony handray ny teny, Almà 16:16 .
Izy ireo dia nampianatra tamin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra, Almà 17:2–3 .
Efa nampianarin’ny reniny izy ireo, Almà 56:47 (Almà 57:21 ).
Ary raha nitady fahendrena izy ireo dia ho azo ampianarina, F&F 1:26 .
Mifampianara ianareo araka ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anareo, F&F 38:23 .
Ampianaro ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, F&F 42:12 .
Ary hampianarina avy any ambony ianareo, F&F 43:15–16 .
Tokony hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny, F&F 68:25–28 .
Mifampianara ny fotopampianaran’ny fanjakana, F&F 88:77–78, 118 .
Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, F&F 88:122 .
Tsy nampianarinao fahazavana sy fahamarinana ny zanakao, ary izany no anton’ny fahorianao, F&F 93:39–42 .
Mampianatra miaraka amin’ny Fanahy
Tsy hianareo no miteny fa ny Fanahy no miteny ao anatinareo, Mat. 10:19–20 .
Tsy nangorakoraka va ny fontsika raha namoaka ny hevitry ny soratra masina Izy, Lio. 24:32 .
Torina amin’ny herin’ny Fanahy ny filazantsara, 1 Kor. 2:1–14 .
Hanana ny Fanahiko ho fandresen-dahatra ny olona ianao, F&F 11:21 .
Homena anao izay ho re na amin’inona na amin’inona hampianarinao amin’ny alalan’ny Mpampionona, F&F 28:1 (F&F 52:9 ).
Raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra, F&F 42:14 (F&F 42:6 ).
Ampianaro ny zanak’olombelona amin’ny herin’ny Fanahiko ny zavatra, F&F 43:15 .
Hampianatra ny filazantsara amin’ny Fanahy ny loholona, F&F 50:13–22 .
Ny teny hambaranareo dia homena anareo amin’izany ora izany, F&F 84:85 (F&F 100:5–8 ).