Fahamarinan-toetra Jereo koa Hitsim-po Olona izay tso-po, marina ary tsy misy fitaka ao aminy. Ireo izay mahatoky no ankasitrahan’ny Tompo, Ohab. 12:22. Efao ny voadinao, Mpito. 5:4–5. Efa nafoinay ny zavatra miafin’ny tsy fahamasinan-toetra, 2 Kor. 4:1–2. Aoka ho marina ny teninareo, 1 Pet. 2:12. Lozan’ny mpandainga fa hatsipy any amin’ny helo izy, 2 Ne. 9:34. Milaza ny marina ny Fanahy ary tsy mandainga, Jkb. 4:13. Na zovy na zovy no mindrana amin’ny namany dia tokony hamerina ny zavatra izay nindraminy, Môzià 4:28 (F&F 136:25). Ataovy araka ny hitsiny, mitsarà araka ny rariny ary manaova ny tsara, Almà 41:14. Aoka ny olona rehetra hifampitondra amim-pahamarinana, F&F 51:9. Ireo rehetra izay mahafantatra fa mahitsy ny fony no ekeko, F&F 97:8. Ny olona marina, hendry ary tsara no tokony hokatsahina ho eo amin’ny fitondram-panjakana, F&F 98:4–10. Mazotoa mikaroka ny hamerina izay very tamin’ny namanao, F&F 136:26. Mino isika fa tokony ho marina ny olona, Fp. 1:13.