Ireo lalàna sy zava-takiana apetrak’ Andriamanitra amin’ny olombelona, na ny tsirairay izany na ny daholobe. Ny fitandremana ireo didy dia hitondra ny fitahian’ny Tompo ho eo amin’ilay mpankatò (F&F 130:21 ).
Noa dia nanao araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy, Gen. 6:22 .
Manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko, Lev. 26:3 .
Tandremo ny didiko dia ho velona, Ohab. 4:4 (Ohab. 7:2 ).
Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko, Jao. 14:15 (F&F 42:29 ).
Na inona na inona angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny isika, 1 Jn. 3:22 .
Tsy mavesatra ny didiny, 1 Jn. 5:3 .
Aoka tsy hiova amin’ny fitandremana ny didy, 1 Ne. 2:10 .
Tsy manome didy ny Tompo raha tsy omaniny ny lalana, 1 Ne. 3:7 .
Tsy maintsy manao araka ny didy henjana avy amin’ Andriamanitra aho, Jkb. 2:10 .
Arakaraka ny hitandremanareo ny didiko no hiroboroboanareo eo amin’ny tany, Jar. 1:9 (Almà 9:13 ; 50:20 ).
Mianara ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra amin’ny fahatanoranao, Almà 37:35 .
Avy amiko ireto didy ireto, F&F 1:24 .
Diniho ireto didy ireto, F&F 1:37 .
Ireo izay tsy mitandrina ny didy dia tsy azo vonjena, F&F 18:46 (F&F 25:15 ; 56:2 ).
Ny didiko dia ara-panahy, fa tsy araka ny toe-tena na ny vatana, F&F 29:35 .
Omena ny didy mba hahatakarantsika ny sitrapon’ny Tompo, F&F 82:8 .
Tsy misy fantatro afa-tsy ny hoe ny Tompo no nandidy ahy, Mos. 5:6 .
Hizaha toetra ny olona ny Tompo mba hahitana raha hanao izay nandidiany izy ireo, Abr. 3:25 .