Asa Ny ataon’ny olona, na tsara na ratsy. Hotsaraina araka ny asany avy ny olona tsirairay. Hovalian’ Andriamanitra araka ny ataony avy ny olona rehetra, Ohab. 24:12. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, Mat. 5:16 (3 Ne. 12:16). Izay manao ny sitrapon’ny Raiko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, Mat. 7:21. Ny finoana tsy arahan’asa dia foana, Jak. 2:14–26. Tsy maintsy hotsaraina araka ny asany izy ireo, 1 Ne. 15:32 (Môzià 3:24). Fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao, 2 Ne. 25:23. Ampianaro izy tsy ho sasatra na oviana na oviana amin’ny asa soa, Almà 37:34. Ilaina ny tokony hitsarana ny olona araka ny asany, Almà 41:3. Fa amin’ny asany no hahafantaranareo azy, Môrô. 7:5 (F&F 18:38). Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, F&F 137:9.