Toromarika na didy na hafatra avy amin’ Andriamanitra. Ny zanak’ Andriamanitra dia afaka mahazo mivantana ny teniny amin’ny alalan’ny fanambarana na avy amin’ireo mpanompo nofinidiny (F&F 1:38 ).
Ilay anja-by dia ny tenin’ Andriamanitra izay nitondra nankamin’ny hazon’aina, 1 Ne. 11:25 (1 Ne. 15:23–25 ).
Efa donto ianareo, hany ka tsy mahatsapa ny teniny, 1 Ne. 17:45–46 .
Lozan’izay mandà ny tenin’ Andriamanitra, 2 Ne. 27:14 (2 Ne. 28:29 ; Ete. 4:8 ).
Mibosesika handroso, mivoky amin’ny tenin’i Kristy, 2 Ne. 31:20 (2 Ne. 32:3 ).
Noho ny tsy finoany dia tsy nety nahatakatra ny tenin’ Andriamanitra izy, Môzià 26:3 (Almà 12:10 ).
Efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’ Andriamanitra, Almà 17:2 .
Tsara ny hanandraman’izy ireo ny herin’ny tenin’ Andriamanitra, Almà 31:5 .
Nampitahain’i Almà tamin’ny voa ny tenin’ Andriamanitra, Almà 32:28–43 .
Na inona na inona hotenenin’izy ireo noho ny fanentanan’ny Fanahy Masina dia hanjary tenin’ny Tompo, F&F 68:4 .
Mivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra, F&F 84:44–45 .