Ny teny hoe Kristy (teny Grika) sy Mesia (teny Hebreo) dia samy midika hoe “ilay voahosotra”. Jesoa Kristy no Lahimatoan’ny Ray tao amin’ny fanahy (Heb. 1:6 ; F&F 93:21 ). Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray tao amin’ny nofo (Jao. 1:14 ; 3:16 ). Jehovah Izy (F&F 110:3–4 ) ary natokana mialoha ho amin’ny antso lehibe talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao. Nahary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy i Jesoa teo ambany fitarihan’ny Ray (Jao. 1:3, 14 ; Mos. 1:31–33 ). Naterak’i Maria tao Betlehema Izy, tsy nanana ota tamin’ny fiainany sady nahavita sorompanavotana fanaperana ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra tamin’ny nandatsahana ny rany sy ny nanomezany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana (Mat. 2:1 ; 1 Ne. 11:13–33 ; 3 Ne. 27:13–16 ; F&F 76:40–42 ). Nitsangana tamin’ny maty Izy, koa azo antoka araka izany ny fitsanganan’ny olombelona rehetra amin’ny maty. Noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty vitan’i Jesoa, ireo izay mibebaka amin’ny fahotany ary mankatò ny didin’ Andriamanitra dia afaka miara-miaina mandrakizay amin’i Jesoa sy ny Ray (2 Ne. 9:10–12 ; 21–22 ; F&F 76:50–53, 62 ).
Jesoa Kristy no mananaina lehibe indrindra teraka teto an-tany. Tokony hotahafin’ny olombelona rehetra ny ohatra fanaperana nitondrany ny fiainany. Tokony hatao amin’ny anarany avokoa ny vavaka, ny fitsofan-drano ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Izy no Tompon’ny tompo, Mpanjakan’ny mpanjaka, Mpahary, Mpamonjy, ary Andriamanitry ny tany manontolo.
Ho avy indray amin’ny hery sy ny voninahitra i Jesoa Kristy mba hanjaka eto an-tany mandritra ny Arivotaona. Hitsara ny olombelona rehetra Izy amin’ny andro farany (Almà 11:40–41 ; JS—M 1 ).
Famintinana ny fiainany (araka ny fifampitohizan’ireo toe-javatra)
Voalaza mialoha ny fahaterahan’i Jesoa sy ny asa anirahana Azy, Lio. 1:26–38 (Isa. 7:14 ; 9:6–7 ; 1 Ne. 11 ).
Teraka, Lio. 2:1–7 (Mat. 1:18–25 ).
Noforana, Lio. 2:21 .
Natolotra tao amin’ny Tempoly, Lio. 2:22–38 .
Novangian’ireo Magy, Mat. 2:1–12 .
Niara-nandositra taminy tany Egypta i Josefa sy i Maria, Mat. 2:13–18 .
Nentina tao Nazareta, Mat. 2:19–23 .
Nitsidika ny tempoly fony Izy roa ambin’ny folo taona, Lio. 2:41–50 .
Nanana rahalahy sy anabavy, Mat. 13:55–56 (Mar. 6:3 ).
Natao batisa, Mat. 3:13–17 (Mar. 1:9–11 ; Lio. 3:21–22 ).
Nalain’ny devoly fanahy, Mat. 4:1–11 (Mar. 1:12–13 ; Lio. 4:1–13 ).
Niantso ny mpianany, Mat. 4:18–22 (Mat. 9:9 ; Mar. 1:16–20 ; 2:13–14 ; Lio. 5:1–11, 27–28 ; 6:12–16 ; Jao. 1:35–51 ).
Nanome fahefana ny Roambinifololahy, Mat. 10:1–4 (Mar. 3:13–19 ; Lio. 6:12–16 ).
Nanao ny Toriteny teo an-tendrombohitra, Mat. 5–7 .
Nilaza mialoha ny amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty, Mat. 16:21 (Mat. 17:22–23 ; 20:17–19 ; Mar. 8:31 ; 9:30–32 ; 10:32–34 ; Lio. 9:22 ; 18:31–34 ).
Niova tarehy, Mat. 17:1–9 (Mar. 9:2–8 ; Lio. 9:28–36 ).
Naniraka ny fitopololahy, Lio. 10:1–20 .
Nanakoako ny fidirany tao Jerosalema, Mat. 21:1–11 (Mar. 11:1–11 ; Lio. 19:29–40 ; Jao. 12:12–15 ).
Nametraka ny fanasan’ny Tompo, Mat. 26:26–29 (Mar. 14:22–25 ; Lio. 22:19–20 ).
Nijaly sy nivavaka tao Getsemane, Mat. 26:36–46 (Mar. 14:32–42 ; Lio. 22:39–46 ).
Nisy namadika, dia nosamborina ary nafoy, Mat. 26:47–56 (Mar. 14:43–53 ; Lio. 22:47–54 ; Jao. 18:2–13 ).
Nohomboana, Mat. 27:31–54 (Mar. 15:20–41 ; Lio. 23:26–28, 32–49 ; Jao. 19:16–30 ).
Nitsangana tamin’ny maty, Mat. 28:1–8 (Mar. 16:1–8 ; Lio. 24:1–12 ; Jao. 20:1–10 ).
Niseho taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, Mat. 28:9–20 (Mar. 16:9–18 ; Lio. 24:13–48 ; Jao. 20:11–31 ; Asa 1:3–8 ; 1 Kor. 15:5–8 ).
Niakatra ho any an-danitra, Mar. 16:19–20 (Lio. 24:51–53 ; Asa 1:9–12 ).
Nampianatra amin’ny maha-olona manana fahefana Azy i Jesoa, Mat. 7:28–29 (Mar. 1:22 ).
Manana fahefana hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona, Mat. 9:6 .
Nandidy ny fanahy maloto tamin’ny fahefana i Jesoa, ary ireo dia nanaiky Azy, Mar. 1:27 (Lio. 4:33–36 ).
Nanokana roa ambin’ny folo lahy i Jesoa mba hanana fahefana, Mar. 3:14–15 .
Nisy fahefana ny tenin’i Jesoa, Lio. 4:32 .
Efa nomen’ny Ray ho an’ny Zanaka ny fitsarana rehetra, Jao. 5:22, 27 .
Andriamanitra dia nanosotra an’i Jesoa tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery, Asa 10:38 .
Efa voatokana talohan’ny fanorenana izao tontolo izao i Kristy, 1 Pet. 1:20 (Ete. 3:14 ).
Manana ny fanalahidin’ny helo sy ny fahafatesana i Kristy, Apôk. 1:18 .
Ny olon-drehetra dia tonga olom-pehezin’i Kristy, 2 Ne. 9:5 .
Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, no Rain’ny lanitra sy ny tany, Mpahary ny zava-drehetra hatrany am-piandohana, Hel. 14:12 .
Faminaniana ny amin’ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy
Naminany ny amin’ny andro iray, ny alina iray ary ny androm-pahazavana iray; ny kintana vaovao iray; ary ireo famantarana hafa i Samoela ilay Lamanita, Hel. 14:2–6 .
Naminany ny amin’ny haizina, ny kotro-baratra ary ny tselatra sy ny fihovitrovitry ny tany i Samoela ilay Lamanita, Hel. 14:20–27 .
Tanteraka ny famantarana ny amin’ny fahaterahan’i Jesoa, 3 Ne. 1:15–21 .
Tanteraka ny famantarana ny amin’ny fahafatesan’i Jesoa, 3 Ne. 8:5–23 .
Fanjakan’i Kristy amin’ny Arivotaona
Homen’ Andriamanitra an’i Jesoa ny seza fiandrianan’i Davida rainy, Lio. 1:30–33 .
Hanjaka mandrakizay mandrakizay i Kristy, Apôk. 11:15 .
Hiara-hanjaka amin’i Kristy arivo taona ireo Olomasina, Apôk. 20:4 (F&F 76:63 ).
Fisehoan’i Kristy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty
Rehefa nitsangana velona i Jesoa, dia i Maria no nisehoany voalohany, Mar. 16:9 (Jao. 20:11–18 ).
Niara-nandeha sy niresaka tamin’ny mpianatra roa teny an-dalana ho any Emaosy i Jesoa, Lio. 24:13–34 .
Jesoa dia niseho tamin’ny Apôstôly izay nitsapa ny tanany sy ny tongony, Lio. 24:36–43 (Jao. 20:19–20 ).
Niseho tamin’i Tomasy i Jesoa, Jao. 20:24–29 .
Niseho tamin’ny mpianatra teo amin’ny ranomasin’i Tiberiasy i Jesoa, Jao. 21:1–14 .
Nampianatra nandritra ny efapolo andro i Jesoa taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, Asa 1:2–3 .
Nahita an’i Jesoa nijoro teo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra i Stefana, Asa 7:55–56 .
Niseho tamin’i Saoly i Jesoa, Asa 9:1–8 (DJS, Asa 9:7 ; Asa 26:9–17 ).
Mihoatra ny 500 ny olona nahita an’i Kristy, 1 Kor. 15:3–8 .
Nahita an’i Jesoa teo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery, F&F 76:22–23 .
Nahita ny Tompo tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Joseph sy i Oliver Cowdery, F&F 110:1–4 .
Fisian’i Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany
Tany am-piandohana dia tao amin’ Andriamanitra ny Teny. Ary ny teny dia tonga nofo ka niorina teo amintsika, Jao. 1:1, 14 (1 Jn. 1:1–3 ).
Talohan’ny nisian’i Abrahama, dia Izy Aho, Jao. 8:58 .
Mankalazà Ahy amin’ny voninahitra izay niarahako nanana taminao talohan’ny nisian’izao tontolo izao, Jao. 17:5 .
Nahita marina tokoa ny Mpanavotra ahy i Isaia, tahaka ny nahitan’i Jakoba rahalahiko Azy, 2 Ne. 11:2–3 .
Rahampitso Aho dia ho tonga eo amin’izao tontolo izao, 3 Ne. 1:12–14 .
Kristy dia nisy talohan’ny niandohan’izao tontolo izao, 3 Ne. 26:5 (Jao. 6:62 ).
Toy ny isehoako aminao no isehoako amin’ny oloko ao amin’ny nofo, Ete. 3:14–17 .
Ny Zanaka Malalako, dia ny Malalako sy ny Nofidiko hatrany am-piandohana, Mos. 4:2 .
Hoy ny Tompo: Iza no hirahiko? Ary namaly ilay anankiray tahaka ny Zanak’Olona hoe: Inty Aho, iraho Aho, Abr. 3:27 .
Fitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy
Tsy misy anarana hafa izay hahazoana famonjena ho antsika, Asa 4:12 (2 Ne. 31:21 ).
Nifaly ireo Apôstôly satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka noho ny amin’ny anarany, Asa 5:38–42 .
Izao no didiny dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy zanany, 1 Jn. 3:23 .
Ho vavolombelona fa vonona ianareo ny hitondra ny anaran’i Kristy amin’ny alalan’ny batisa, 2 Ne. 31:13 .
Mba tiako ny hitondrana eo aminao ny anaran’i Kristy, Môzià 5:6–12 (Môzià 1:11 ).
Na zovy na zovy no naniry ny hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy, dia nikambana tamin’ny Fiangonan’ Andriamanitra izy, Môzià 25:23 .
Ireo rehetra izay tena mpino an’i Kristy dia nitondra teo aminy ny anaran’i Kristy, Almà 46:15 .
Ny vavahadin’ny lanitra dia mivoha ho an’ireo izay hino ny anaran’i Jesoa Kristy, Hel. 3:28 .
Hotahina izay hita ho mahatoky amin’ny anarako amin’ny andro farany, Ete. 4:19 .
Vonona izy ireo ny hitondra eo aminy ny anaran’ny Zanaka, Môrô. 4:3 (F&F 20:77 ).
Ny olon-drehetra dia hanatona an’ Andriamanitra mba hotsarainy araka ny fahamarinana sy ny fahamasinana izay ao aminy, 2 Ne. 2:10 .
Hijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina araka ny asa, Almà 5:15 (Almà 12:15 ; 33:22 ; 3 Ne. 27:14 ).
Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy
Fianarana no nomeko anareo, Jao. 13:15 .
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, Jao. 14:6 .
Efa nijaly ho antsika koa i Kristy ka namela fianarana ho antsika mba hanarahantsika ny diany, 1 Pet. 2:21 .
Raha tsy manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra Velona ny olona dia tsy azo vonjena, 2 Ne. 31:16 .
Mba tiako ho tanteraka tahaka Ahy ianareo, 3 Ne. 12:48 .
Izany dia hoezahinareo mandrakariva mba hatao toy izay efa nataoko, 3 Ne. 18:6 .
Efa nanome ohatra ho anareo Aho, 3 Ne. 18:16 .
Ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa, 3 Ne. 27:21, 27 .
Ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia tahaka Azy, Môrô. 7:48 .
Tandindona na sarinteny momba an’i Kristy
Nanatitra ny voalohan-teraky ny ondriny ho fanatitra i Abela, Gen. 4:4 (Mos. 5:20 ).
Ento i Isaka lahitokanao, dia atero ho fanatitra izy, Gen. 22:1–13 (Jkb. 4:5 ).
Nandidy ny zanak’i Isiraely ny Tompo hanao sorona zanak’ondry tsy misy kilema, Eks. 12:5, 21, 46 (Nom. 9:12 ; Jao. 1:29 ; 19:33 ; 1 Pet. 1:19 ; Apôk. 5:6 ).
Itony no mofo izay nomen’ny Tompo anareo hohanina, Eks. 16:2–15 (Jao. 6:51 ).
Kapohy ny harambato, dia hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona, Eks. 17:6 (Jao. 4:6–14 ; 1 Kor. 10:1–4 ).
Hoentin’ny osilahy ny helok’izy rehetra, Lev. 16:20–22 (Isa. 53:11 ; Môzià 14:11 ; 15:6–9 ).
Nanainga ny menarana varahina hamonjena ireo mijery izany i Mosesy, Nom. 21:8–9 (Jao. 3:14–15 ; Almà 33:19 ; Hel. 8:14–15 ).
Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano telo andro, Jon. 1:17 (Mat. 12:40 ).
Tenivavolombelona natao momba an’i Jesoa Kristy
Nanambara i Paoly fa i Jesoa no Kristy, Asa 18:5 .
Ny fanahy ratsy aza dia nanambara fa fantany i Jesoa, Asa 19:15 .
Tsy misy olona afaka milaza fa i Jesoa no Tompo raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, 1 Kor. 12:3 .
Hitsaoka ny lohalika rehetra ary hiaiky ny lela rehetra fa i Jesoa no Kristy, Filip. 2:10–11 .
Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, mamin’ny ny amin’i Kristy, 2 Ne. 25:26 .
Ny Bokin’i Môrmôna dia ho fandresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, 2 Ne. 26:12 (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ).
Nanambara ny amin’i Kristy ireo mpaminany sy ny soratra masina, Jkb. 7:11, 19 .
Katsaho ity Jesoa izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny Apôstôly ny aminy ity, Ete. 12:41 .
Nahita Azy izahay ary nandre ny feo nanambara fa Izy no Lahitokana, F&F 76:20–24 .
Izao no fiainana mandrakizay—dia ny mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, F&F 132:24 .
Mino an’ Andriamanitra Ray Mandrakizay isika ary mino an’i Jesoa Kristy zanany, Fp. 1:1 .
Mino isika fa Izy Kristy tenany no hanjaka eto an-tany, Fp. 1:10 .
Voninahitr’i Jesoa Kristy
Ho avy amin’ny voninahitry ny rainy ny Zanak’Olona, Mat. 16:27 .
Mankalazà Ahy amin’ny voninahitra izay niarahako nanana taminao talohan’ny nisian’izao tontolo izao, Jao. 17:5 .
Tsy maintsy manjaka amin’ny voninahi-dehibe ny Iray Masin’ny Isiraely, 1 Ne. 22:24 .
Nanananay ny fanantenana ny voninahiny, Jkb. 4:4 .
Tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’ Andriamanitra, Almà 5:50 .
Izy dia namelabelatra ny zava-drehetra hatrany am-piandohana ka hatramin’ny fotoana izay hahatongavany ao amin’ny voninahiny, 3 Ne. 26:3 .
Ny Apostoliko dia hijoro, mitafy voninahitra toa Ahy, F&F 29:12 (F&F 45:44 ).
Tazanay ny voninahitry ny Zanaka eo an-tanana ankavanan’ny Ray, F&F 76:19–23 .
Jaona dia nahita ary vavolombelona nanambara ny amin’ny fahafenoan’ny voninahitro, F&F 93:6 (Jao. 1:14 ).
Ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro, F&F 110:3 .
Teo amiko ny voninahiny ary hahita ny tavany aho, Mos. 1:1–11 .
Izao no asako sy voninahitro, Mos. 1:39 .