Marary Tsy salama na marofy. Ao amin’ny soratra masina, ny aretin’ny vatana dia ampiasaina indraindray ho tandindon’ny tsy fahampian’ny fahasalaman’ny fanahy (Isa. 1:4–7; 33:24). Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro hahasitrana anao Aho, 2 Mpan. 20:1–5 (2 Tan. 32:24; Isa. 38:1–5). Jesoa dia nandeha nanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra, Mat. 4:23–24 (1 Ne. 11:31; Môzià 3:5–6). Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary, Mat. 9:10–13 (Mar. 2:14–17; Lio. 5:27–32). Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholona, Jak. 5:14–15. Fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony i Kristy, Almà 7:10–12. Nositranin’i Jesoa ireo marary teo anivon’ny Nefita, 3 Ne. 26:15. Amin’ny fanambatambazana fatratra no hamahanana raokandro sy hana-maivana ny marary, F&F 42:43 (Almà 46:40). Tsarovy ny marary sy ny ory amin’ny zavatra rehetra, F&F 52:40. Ametraho ny tananao ny marary, dia ho sitrana ireny, F&F 66:9.