Fitaka Jereo koa Fanangolena; Lainga Ny mamitaka ao amin’ny soratra masina dia ny mampino olona zavatra izay tsy marina. Izay tsy nianiana mba hamitaka no hiakatra ao an-tendrombohitry ny Tompo, Sal. 24:3–4. Afaho amin’ny olona mpamitaka aho, Sal. 43:1. Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, Isa. 5:20 (2 Ne. 15:20). Aoka tsy hisy olona hamitaka ny tenany, 1 Kor. 3:18. Aoka tsy hofitahin’ny olona amin’ny teny foana ianareo, Ef. 5:6. Sady hamitaka no ho fitahina ny olon-dratsy, 2 Tim. 3:13. Satana, izay namitaka izao tontolo izao, dia nazera, Apôk. 12:9. Nafatotra i Satana mba tsy hamitahany intsony ireo firenena, Apôk. 20:1–3. Tsy azo fitahina ny Tompo, 2 Ne. 9:41. Raha manara-dia ny Zanaka ianareo, sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra, dia horaisinareo ny Fanahy Masina, 2 Ne. 31:13. Niaiky i Serema fa voafitaka amin’ny herin’ny devoly izy, Jkb. 7:18. Voafitaky ny teny manasohaso ny vahoakan’i Noà mpanjaka, Môzià 11:7. Efa nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ny hendry ka tsy voafitaka, F&F 45:57. Lozan’ireo izay mpamitaka, F&F 50:6. Tonga Satana izy, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, Mos. 4:4.