Fakantahaka Modely azon’ny olona iray arahina mba hahazoana vokany. Ao amin’ny Soratra Masina, ny fakantahaka dia matetika midika ho ohatra, amin’ny fomba fiaina iray na amin’ny fanorenana zavatra iray. Ny nandidian’ Andriamanitra ny Isiraely ny amin’ny hanaovana ny tabernakely araka ny fakantahaka naseho an’i Mosesy, Eks. 25. Nomen’i Davida an’i Solomona ny sarin’ny fananganana ny Tempoly, 1 Tan. 28:11–13. Mba hasehon’i Jesoa Kristy eo amiko izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy, 1 Tim. 1:16. Homeko anareo ny fakantahaka amin’ny zavatra rehetra, mba tsy ho azo fitahina ianareo, F&F 52:14.