Tonga lafatra, feno ary mivelatra tanteraka; marina tsy misy tomika. Mety midika ho tsy misy heloka na faharatsiana ihany koa ny tanteraka. I Kristy irery ihany no tanteraka tsy misy tomika. Ireo tena mpanara-dia an’i Kristy dia afaka ho tonga tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny Sorompanavotany.
Aoka ho tanteraka hianareo, toy ny Rainareo izay any an-danitra, Mat. 5:48 (3 Ne. 12:48 ).
Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka, Jak. 3:2 .
Ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra, Almà 32:21, 26 .
Natao ny sorompanavotana mba ho Andriamanitra fanaperana Andriamanitra, Almà 42:15 .
Lehilahin’ny fahatakaran-tsaina fanaperana i Môrônia, Almà 48:11–13, 17–18 .
Omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka amin’ny fahalalana tanteraka na avy amin’ Andriamanitra ny zavatra iray na avy amin’ny devoly, Môrô. 7:15–17 .
Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, Môrô. 10:32 .
Mitozoa ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka, F&F 67:13 .
Ireny no ireo izay olona marina natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, F&F 76:69 .
Ho fanatanterahana ny olomasina ireo asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana, F&F 124:143 (Ef. 4:11–13 ).
Tsy tanteraka ny velona raha tsy eo ny maty eo aminy, F&F 128:15, 18 .