Zatovo izay tsy mbola tonga eo amin’ny fialantsakana. Ny ray sy ny reny dia tokony hampianatra ny zanany hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy manana ota ny zaza raha tsy efa tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy (Môrô. 8:22 ; F&F 68:27 ).
Raha tsy nisy ny fahalavoana, dia tsy ho nanan-janaka i Adama sy i Eva, 2 Ne. 2:22–23 .
Hampianatra ny ankizy handeha amin’ny lalan’ny marina sy ny fahononam-po, Môzià 4:14–15 .
Mahazo ny fiainana mandrakizay ny ankizy madinika, Môzià 15:25 .
Nalain’i Jesoa ny ankizy madinika ary notsofiny rano, 3 Ne. 17:21 .
Hampianarin’ny Tompo avokoa ny zanakao ary ho lehibe ny fiadanan’ny zanakao, 3 Ne. 22:13 (Isa. 54:13 ).
Tsy mila fibebahana na batisa ny ankizy madinika, Môrô. 8:8–24 .
Avotana amin’ny alalan’ny Lahitokako ny ankizy madinika hatry ny fanorenana izao tontolo izao, F&F 29:46–47 .
Tokony hampianatra ny zanany ireo fitsipika sy fomban’ny filazantsara ny ray aman-dreny, F&F 68:25, 27–28 .
Ny ankizy dia masina tamin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy, F&F 74:7 .
Didina ny ray aman-dreny hitaiza ny zanany amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana, F&F 93:40 .
Ny ankizy izay maty alohan’ny hahatongavany eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy dia voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy, F&F 137:10 .