Asa (Testamenta Taloha)
Ao amin’ny Testamenta Taloha, mpanjaka fahatelon’i Joda. Ny soratra masina dia mirakitra fa “nahitsy teo imason’i Jehovah ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany” (1 Mpan. 15:14). Nandritra ny fitondrany, dia nanangana tafika mahomby izy ka nanjera ny ziogan’ny Etiopiana, nanaisotra ny fahavetavetana ary nanainga ny olona hanao fanekena mba hitady an’i Jehovah (1 Mpan. 15–16; 2 Tan. 14–16). Nony efa narary tao amin’ny tongony anefa izy dia tsy nikatsaka ny fanampian’ny Tompo ka maty (1 Mpan. 15:23–24; 2 Tan. 16:12–13).