Fanampiana amin’ny fandalinana
Jerosalema


Jerosalema

Tanàna iray miorina any Isiraely ankehitriny. Izany no tanàna manan-danja indrindra tamin’ny tantaran’ny Baiboly. Eo amin’izany tanàna izany ny sasantsasany amin’ireo toerana masina indrindra ho an’ny Kristiana, ny Jiosy ary ny Silamo, ary tsidihin’ireo mpino mahatoky maro tsy tapaka. Mazàna dia tondroina amin’ny hoe ny tanàna masina izany.

Jerosalema, izay fantatra taloha tamin’ny hoe Salema (Gen. 14:18; Sal. 76:2), dia tanànan’ny Jebosita ambara-pahatongan’ny tanàna ho azon’i Davida (Jos. 10:1; 15:8; 2 Sam. 5:6–7), izay nanao azy ho renivohiny. Talohan’izany dia saika toy ny toerana mimanda no mampiasa azy, ka sahabo ho 800 metatra ambonin’ny vohon-dranomasina izy. Voahodidin’ny lohasaha lalina ny lafiny rehetra afa-tsy ny avaratra.

Nandritra ny fitondran’i Davida Mpanjaka tao Jerosalema, dia lapa hazo no nonenany. Nandritra ny fitondran’i Solomona anefa, dia nanao zavatra maro ny vahoaka hanatsarana ny tanàna, anisan’izany ny fananganana ny lapan’ny mpanjaka sy ny tempoly.

Rehefa nisaraka ny fanjakan’i Isiraely sy i Joda, dia nijanona ho renivohitr’i Joda i Jerosalema. Notafihan’ny miaramila matetika izy (1 Mpan. 14:25; 2 Mpan. 14:13; 16:5; 18–19; 24:10; 25). Nanjary ivon’ny fivavahana ho fiderana i Jerosalema tamin’ny andron’i Hezekia saingy rava ny ampahany taminy ny 320, ny 168 ary ny 65 taona talohan’i Kristy. Natsangan’i Heroda indray ny manda sy ny tempoly, saingy tamin’ny 70 taona taorian’i Kristy, dia noravan’ny Romana tanteraka izany.