Safo-drano tamin’ny Andron’i Noa Jereo koa Avana; Noa, Patriarika ao amin’ny Baiboly; Sambofiara Rakotry ny rano tanteraka ny tany tamin’ny andron’i Noa. Izany no batisan’ny tany ary tandindon’ny fanadiovana (1 Pet. 3:20–21). Hahatonga safo-drano ambonin’ny tany Andriamanitra mba handringana ny nofo rehetra, Gen. 6:17 (Mos. 7:34, 43, 50–52; 8:17, 30). Tonga tambonin’ny tany ny safo-drano, Gen. 7:10. Napetrak’ Andriamanitra teny amin’ny rahona ny avana ho famantarana ny fanekena, Gen. 9:9–17. Nony efa nisintona ny rano, dia tonga tany nofinidy ny tanin’i Amerika, Ete. 13:2. Ho faty ao amin’ny safo-drano ny olon-dratsy, Mos. 7:38; 8:24.