Safidy Jereo koa Afaka; Ampamoahina, Ampamoaka Ny fahafaha-manao sy ny tombontsoa omen’ Andriamanitra ny olona mba hifidy sy hanao araka ny tenany. Ny hazo rehetra dia azonao ihinanana malalaka, Gen. 2:16. Fidionareo anio izay hotompoinareo, Jos. 24:15 (Almà 30:8; Mos. 6:33). Tsy afaka hanao ho an’ny tenany ny olona raha tsy taomina, 2 Ne. 2:15–16. Afaka ny olona na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay na ny fahababoana sy ny fahafatesana, 2 Ne. 2:27. Afaka ianareo, avela ianareo hanao ho an’ny tenanareo, Hel. 14:30. Nampikomy ny ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra izy noho ny safidin’izy ireo, F&F 29:36. Tsy maintsy ilaina ny hakan’ny devoly fanahy ny olona fa raha tsy izany dia tsy afaka hisafidy ho an’ny tenany ny olona, F&F 29:39. Aoka ny olona tsirairay samy hisafidy ho an’ny tenany, F&F 37:4. Ny olona tsirairay dia tsy maintsy mihetsika araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko azy, F&F 101:78. Nokatsahin’i Satana ny handrava ny safidin’ny olona, Mos. 4:3. Nomen’ny Tompo ny olona ny safidiny, Mos. 7:32.