Jirik’i Gadiantôna Jereo koa Tsikombakomba Miafina Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: andiana mpangalatra natsangan’ilay Nefita ratsy fanahy atao hoe Gadiantôna. Nifototra tamin’ny tsiambaratelo sy ny fiozonana miafina avy amin’i Satana ny fikambanany. Nahatonga ny famongorana ny firenena Nefita i Gadiantôna, Hel. 2:12–13. Nomen’ny devoly an’i Gadiantôna ireo fiozonana sy dina miafina, Hel. 6:16–32. Nahatonga ny famongorana ny firenena Jeredita ireo tsikombakomba miafina, Ete. 8:15–26.