Ny mpikambana fahatelo amin’ireo Andriamanitra (1 Jn. 5:7 ; F&F 20:28 ). Izy dia olona Fanahy, tsy manana vatana nofo sy taolana (F&F 130:22 ). Ny Fanahy Masina dia mazàna tondroina amin’ny hoe ny Fanahy na ny Fanahin’ Andriamanitra.
Manatontosa anjara asa lehibe dia lehibe maro ao amin’ny drafitry ny famonjena ny Fanahy Masina. (1) Vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka izy (1 Kor. 12:3 ; 3 Ne. 28:11 ; Ete. 12:41 ). (2) Manambara ny fahamarinan’ny zava-dehetra izy (Jao. 14:26 ; 16:13 ; Môrô. 10:5 ; F&F 39:6 ). (3) Manamasina an’ireo izay efa nibebaka sy natao batisa izy (Jao. 3:5 ; 3 Ne. 27:20 ; Mos. 6:64–68 ). (4) Izy no Fanahy Masin’ny Fampanantenana (F&F 76:50–53 ; 132:7, 18–19, 26 ).
Mety ho tonga amin’ny olona iray mialoha ny batisa ny herin’ny Fanahy Masina mba ho vavolombelona manambara fa marina ny filazantsara. Ny zo hanana ny fiarahana lalandava amin’ny Fanahy Masina anefa, rehefa mendrika ny olona iray, dia fanomezana izay tsy azo raisina raha tsy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka, aorian’ny batisa nahazoan-dalana hidirana ao amin’ny tena Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Nampianatra i Jesoa fa ny fahotana rehetra dia hahazoana famelana afa-tsy ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (Mat. 12:31–32 ; Mar. 3:28–29 ; Lio. 12:10 ; Heb. 6:4–8 ; F&F 76:34–35 ).
Nomena fahefana ny Apôstôly hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Mat. 28:19 .
Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zava-drehetra, Jao. 14:26 .
Niteny araka ny nanentanan’ny Fanahy Masina azy ny olona masina, 2 Pet. 1:21 .
Notarihin’ny Fanahy i Nefia, 1 Ne. 4:6 .
Ireo misterin’ Andriamanitra dia hovelabelarina aminy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, 1 Ne. 10:17–19 .
Ny Fanahy Masina no hampiseho ny zavatra rehetra tokony hataonareo, 2 Ne. 32:5 .
Amin’ny herin’ny Fanahy Masina no ahazoanareo mamantatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra, Môrô. 10:5 .
Hiteny aminao ao an-tsainao sy ao am-ponao ny Fanahy Masina, F&F 8:2 .
Mitarika hanao ny tsara ny Fanahy, F&F 11:12 .
Mahalala ny zavatra rehetra ny Fanahy Masina, F&F 35:19 .
Ny Fanahy Masina no mampianatra an’ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanajakana, F&F 36:2 (F&F 39:6 ).
Raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra, F&F 42:14 .
Vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina, F&F 42:17 (1 Kor. 12:3 ; 3 Ne. 11:32, 35–36 ).
Ho an’ny sasany dia omen’ny Fanahy Masina ny hahafantatra fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra, F&F 46:13 .
Na inona na inona hotenenin’izy ireo noho ny fanentanan’ny Fanahy Masina dia hanjary soratra masina, F&F 68:4 .
Halatsaka ny Fanahy Masina ho vavolombelona hanambara ny zavatra rehetra izay holazainareo, F&F 100:8 .
Ho namanao lalandava ny Fanahy Masina, F&F 121:45–46 .