Mety maty Jereo koa Fahafatesan’ny Vatana; Fahalavoan’i Adama sy i Eva; Izao Tontolo Izao; Vatana Fotoana manomboka amin’ny fahaterahana ka hatramin’ny fahafatesan’ny vatana. Antsoina koa hoe toetra faharoa izany indraindray. Fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao, Gen. 2:16–17 (Mos. 3:16–17). Amin’ny fahafatesana, ny vatana dia hiverina ho vovoky ny tany, fa ny fanahy hiverina amin’ Andriamanitra, Mpito. 12:7 (Gen. 3:19; Mos. 4:25). Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, Roma. 6:12. Ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana, 1 Kor. 15:53 (Enô. 1:27; Môzià 16:10; Môrm. 6:21). Nanjary toetry ny fisedrana ny toetry ny olona, 2 Ne. 2:21 (Almà 12:24; 42:10). Lavo i Adama mba hisian’ny olona, 2 Ne. 2:25. Moa va ianareo miandrandra ary mahita ity vatana mety maty ity atsangana ao amin’ny tsy fahafatesana, Almà 5:15. Fa izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra, Almà 34:32. Koa aza matahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, F&F 101:36. Ireo izay mitana ny toetrany faharoa dia hanana voninahitra, Abr. 3:26.