Reny Jereo koa Eva; Fianakaviana; Ray Aman-dreny Anarana masina enti-manondro ny vehivavy izay miteraka na manangan-jaza. Mandray anjara amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny reny amin’ny fanomezana vatana mety maty ireo fanahy zanak’ Andriamanitra. Adama nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra, Gen. 3:20 (Mos. 4:26). Manajà ny rainao sy ny reninao, Eks. 20:12 (Ef. 6:1–3; Môzià 13:20). Aza mahafoy ny lalàn-dreninao, Ohab. 1:8. Ny adala manao tsinontsinona an-dreniny, Ohab. 15:20 (Ohab. 10:1). Aza manamavo ny reninao rehefa antitra izy, Ohab. 23:22. Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra, ny lahy koa mitsangana ka midera azy, Ohab. 31:28. Nijanona teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesoa ny reniny, Jao. 19:25–27. Nampianarin’ireo reniny ireo Lamanita roa arivo mpiady, Almà 56:47 (Almà 57:21). I Eva renintsika be voninahitra dia anisan’ireo olona lehibe sy mahery izay nampianarin’ny Tompo tao amin’ny tontolon’ny fanahy, F&F 138:38–39.