Ny fananana ny Fanahin’ny Tompo dia mahatonga fiovana mahery vaika ao am-pon’ny olona, hany ka tsy manam-paniriana intsony ny hanao ratsy izy fa maniry kosa ny hikatsaka ny zavatr’ Andriamanitra.
Ireo izay nino ny anaran’i Kristy dia tsy nateraky ny ra, fa naterak’ Andriamanitra, Jao. 1:12–13 .
Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, Jao. 3:3–7 .
Azo ateraka indray isika amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, 1 Pet. 1:3–23 .
Na zovy na zovy no naterak’ Andriamanitra dia tsy manohy ao amin’ny ota, DJS, 1 Jn. 3:9 .
Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao, 1 Jn. 5:4 .
Ireo izay aterak’i Kristy dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, Môzià 3:19 ; 5:2–7 .
Ny olona rehetra dia tsy maintsy ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, Môzià 27:25–26 (Almà 5:49 ).
Efa naterak’ Andriamanitra indray araka ny fanahy ve ianareo, Almà 5:12–19 .
Raha tsy ateraka indray ianareo dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ny lanitra, Almà 7:14 .