Mankatò Jereo koa Didin’ Andriamanitra; Fifaliana; Fitahiana; Lalàna; Mandeha, Mandeha Miaraka amin’ Andriamanitra; Mihaino Amin’ny heviny ara-panahy, ny fankatoavana dia fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra. Nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy i Noa, Gen. 6:22. Nankatò ny Tompo i Abrahama, Gen. 22:15–18. Izay rehetra nolazain’ny Tompo dia hataonay, Eks. 24:7. Koa mihainoa ry Isiraely Ô, ka mitandrema hanaraka izany, Deot. 6:1–3. Tiava ny Tompo ka mihainoa ny feony, Deot. 30:20. Ny mankatò no tsara noho ny fanatitra, 1 Sam. 15:22. Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, Mpito. 12:13–14. Tsy ny rehetra no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Ray, Mat. 7:21 (3 Ne. 14:21). Raha misy olona ta hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, Jao. 7:17. Andriamanitra no tokony hekena mihoatra ny olona, Asa 5:29. Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo, Ef. 6:1 (Kol. 3:20). Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, 1 Ne. 3:7. Nankatò ny feon’ny Fanahy aho, 1 Ne. 4:6–18. Raha toa ka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ny zanak’olombelona, dia mamelona azy Izy, 1 Ne. 17:3. Mitandrema fandrao hankatò ny fanahy ratsy ianareo, Môzià 2:32–33, 37 (F&F 29:45). Mioty ny tambiny araka izay fanahy ankatoaviny ny olona, Almà 3:26–27. Tokony hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ny olona, F&F 58:26–29. Tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka manafintohina an’ Andriamanitra afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tanany ary tsy mankatò ny didiny, F&F 59:21. Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko, F&F 82:10. Ny olona tsirairay, izay mankatò ny feoko, dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho, F&F 93:1. Tsy maintsy faizina ny olona ambara-pianarany fankatoavana, F&F 105:6. Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany, F&F 130:21. Mpankatò i Adama, Mos. 5:5. Hosedraintsika izy ireo hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo, Abr. 3:25.