Ao amin’ny Testamenta Vaovao, virijiny nofidian’ Andriamanitra Ray mba ho renin’ny zanany lahy ao amin’ny nofo. Nanan-janaka hafa i Maria taorian’ny nahaterahan’i Jesoa (Mar. 6:3 ).
Fofombadin’i Josefa izy, Mat. 1:18 (Lio. 1:27 ).
Norarana i Josefa tsy hisaraka amin’i Maria na hanapaka ny fifamofoana, Mat. 1:18–25 .
Namangy an’i Maria ireo olon-kendry, Mat. 2:11 .
Nandositra niaraka tamin’i Jesoa zaza nankany Egypta i Maria sy i Josefa, Mat. 2:13–14 .
Niverina tany Nazareta ny fianakaviana rehefa maty i Heroda, Mat. 2:19–23 .
Namangy azy ny Anjely Gabriela, Lio. 1:26–38 .
Namangy an’i Elizabeta havany izy, Lio. 1:36, 40–45 .
Nanao hira fiderana ny Tompo i Maria, Lio. 1:46–55 .
Nankany Betlehema niaraka tamin’i Josefa i Maria, Lio. 2:4–5 .
Niteraka an’i Jesoa i Maria ary nampandry azy tao amin’ny fihinanam-bilona, Lio. 2:7 .
Nankany Betlehema ireo mpiandry ondry hamangy an’i Kristy zaza, Lio. 2:16–20 .
Nitondra an’i Jesoa tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Maria sy i Josefa, Lio. 2:21–38 .
Nitondra an’i Jesoa tamin’ny Paska i Maria sy i Josefa, Lio. 2:41–52 .
Nanatrika ilay fanambadiana tao Kana i Maria, Jao. 2:2–5 .
Nangataka an’i Jaona i Jesoa, teo amin’ny hazo fijaliana, mba hiahy ny reniny, Jao. 19:25–27 .
Niaraka tamin’ireo Apôstôly i Maria taorian’ny nampakarana an’i Jesoa ho any an-danitra, Asa 1:14 .
Virijiny iray izay tsara sy kanto indrindra noho ireo virijiny hafa rehetra i Maria, 1 Ne. 11:13–20 .
Maria no hiantsoana ny renin’i Kristy, Môzià 3:8 .
Virijiny sady fanaka iray sarobidy sy nofinidy i Maria, Almà 7:10 .