Ny hoe antsoin’ Andriamanitra dia mahazo fanendrena na fanasana avy Aminy na avy amin’ny mpitondra ny Fiangonana izay nomeny fahefana ara-dalàna mba hanompo Azy amin’ny fomba manokana.
Nametraka ny tanany taminy izy ary nandidy azy, Nom. 27:23 .
Notendreko ho mpaminany ianao, Jer. 1:5 .
Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo, Jao. 15:16 .
Paoly dia voantso ho Apôstôly, Roma. 1:1 .
Tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, Heb. 5:4 .
Nantsoin’ Andriamanitra araka ny lamin’i Melkizedeka i Jesoa, Heb. 5:10 .
Efa nantsoina aho hitory ny tenin’ Andriamanitra araka ny fanahin’ny fanambarana sy ny faminaniana, Almà 8:24 .
Ireo mpisorona dia efa nantsoina sy nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao, Almà 13:3 .
Raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina, F&F 4:3 .
Tomoera tsara amin’ny asa izay efa niantsoako anareo, F&F 9:14 .
Tsy tokony hihevitra ianao fa antsoina hitory raha tsy efa voantso, F&F 11:15 .
Antsoina ireo loholona hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidy, F&F 29:7 .
Tsy misy olona hitory ny filazantsarako na hanorina ny Fiangonako raha tsy natokana izy, F&F 42:11 .
Maro no voantso nefa vitsy no voafidy, F&F 121:34 .