Tompon’ny Maro Jereo koa Jesoa Kristy Anarana iray hafa entin’i Jesoa Kristy. Manjaka amin’ny mponin’ny lanitra sy ny tany Izy, ary mitarika ny marina amin’ny fanoherana ny ratsy (F&F 29:9; 121:23). Jehovah Tompon’ny Maro no Mpanjakan’ny voninahitra, Sal. 24:10. Ny Andriamanitr’i Isiraely, dia ny Tompon’ny Maro, 1 Ne. 20:2. Tsy hiezaka ny hiara-hiady mandrakariva amin’ny olona ny Fanahiko, hoy ny Tompon’ny Maro, F&F 1:33.