Voninahitra Terestrialy Jereo koa Ambaratongam-boninahitra Ny faharoa amin’ireo ambaratongam-boninahitra telo izay hitoeran’ny olona aorian’ny Fitsarana Farany. Hitan’i Paoly ny voninahitra terestrialy izay noharina tamin’ny voninahitry ny volana, 1 Kor. 15:40–41. Hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny voninahitra terestrialy, F&F 76:71–80. Ny voninahitry ny terestrialy dia manoatra noho ny voninahitry ny telestialy, F&F 76:91. Izay tsy afaka ny hanaraka ny lalàn’ny fanjakana terestrialy dia tsy mahatanty ny voninahitra terestrialy, F&F 88:23, 30, 38.