Fanohanana ireo Mpitondra ny Fiangonana Jereo koa Faneken’ny Rehetra Manome toky hanohana ireo izay manompo eo amin’ny toeran’ny mpitondra rehetra ao amin’ny Fiangonana. Asaovy mijoro eo anatrehan’ny fiangonana i Josoa ka mandidia azy eo imasony hianao, Nom. 27:18–19. Dia nihoby ny vahoka rehetra ka nanao hoe: ho ela velona anie ny mpanjaka, 1 Sam. 10:24. Minoa ny mpaminany dia hambinina ianareo, 2 Tan. 20:20. Maneke ny mpitondra anareo, Heb. 13:17. Hahita sitraka amin’ny Tompo ianao, satria tsy mba nimonomonona ianao, 1 Ne. 3:6. Ireo izay nandray ny mpaminany no notsimbinina, 3 Ne. 10:12–13. Mampandria sofina amin’ny tenin’ireto roa ambin’ny folo ireto, 3 Ne. 12:1. Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany, F&F 1:38. Ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, F&F 21:5. Izay mandray ireo mpanompoko dia mandray Ahy, F&F 84:35–38. Na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray ireo izay efa nirahako, F&F 112:20. Raha tsy mihaino ny feon’ireo mpanompoko izay efa notendreko ny vahoakako, dia tsy hotahiana izy, F&F 124:45–46.