Fiandohana Jereo koa Fahariana; Fiainana Talohan’ny Fiainana An-tany; Jesoa Kristy Manondro ny fotoana talohan’ity toetry ny mety maty ity izany amin’ny ankapobeny—izany hoe ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany. Indraindray dia i Jesoa Kristy no tondroina amin’ny hoe ny Fiandohana. Tany am-piandohana Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, Gen. 1:1 (Mos. 2:1). Tany am-piandohana ny Teny, Jao. 1:1. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, 3 Ne. 9:18. Kristy no fiandohana sy fiafarana, F&F 19:1. Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay dia efa nisy hatrany am-piandohana, F&F 22:1. Niaraka tamin’ Andriamanitra ny olona tany am-piandohana, F&F 93:23, 29. Ireo fanahy lehibe sy ambony dia nofinidy tany am-piandohana mba ho mpanapaka, F&F 138:55. Ny Lahitokako dia niaraka tamiko hatrany am-piandohana, Mos. 2:26.