Saina Herin’ny fahatakarana; fahafahana mieritreritra. Manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny saina mazoto, 1 Tan. 28:9. Tiava an’ny Tompo Andriamanitrao amin’ny sainao rehetra, Mat. 22:37. Ny fiheverana ny zavatry ny nofo dia fahafatesana, ary ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay, 2 Ne. 9:39. Tonga tao an-tsaiko ny feon’ny Tompo, Enô. 1:10. Nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona ny teny noho ny sabatra, Almà 31:5. Hiteny anao ao an-tsainao Aho, F&F 8:2. Diniho ao an-tsainao izany, F&F 9:8. Aoka ny fahamasinan’ny zavatry ny mandrakizay hitoetra ao an-tsainareo, F&F 43:34. Ny sainareo dia nohamaizinina taloha, F&F 84:54. Vonjeo aloha ny fandrianareo, mifohaza aloha mba hahatonga ny vatanareo sy ny sainareo ho mavitrika, F&F 88:124. Tsy fantatr’i Satana ny sain’ Andriamanitra, Mos. 4:6. Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina, Mos. 7:18.