Heloka Jereo koa Fibebahana Ny fahatsapana hadisoana na fahatsapana nenina na alahelo izay tokony hanaraka ny fahotana. Efa nanota izy ary meloka, Lev. 6:1–6. Na zovy na zovy no mandray amin’ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana dia ho meloka amin’ny vatana sy ny ran’i Jesoa, 1 Kor. 11:27. Sarotra ho an’ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana, 1 Ne. 16:2. Hanana fahalalana tomombana ny amin’ny hadisoantsika rehetra isika, 2 Ne. 9:14. Nofafana ny hadisoako, Enô. 1:6. Nisy famaizana mitovana izay nitondra fanenenan’ny fieritreretana, Almà 42:18. Aoka ny fahotanao ihany no hanahirana anao amin’ny fahasahiranana izay hitondra anao hidina any amin’ny fibebahana, Almà 42:29. Meloka eo anoloako ny sasany aminareo saingy ho feno famindram-po Aho, F&F 38:14. Ny Zanak’ Andriamanitra dia efa nanonitra ny hadisoana fototra, Mos. 6:54.