Sira Nampiasaina indrindra hitehirizana sakafo tamin’ny andro fahiny; noheverina ho zavatra tena nilaina teo amin’ny fiainana. Tonga vongan-tsira mitsangana ny vadin’i Lota, Gen. 19:26. Hianareo no fanasin’ny tany, Mat. 5:13 (Lio. 14:34; 3 Ne. 12:13). Isaina ho fanasin’ny tany ny olon’ny fanekempihavanan’ny Tompo, F&F 101:39–40. Ary raha toa ka tsy mpamonjy ny olona ny Olomasina, dia tahaka ny sira izay tonga matsatso, F&F 103:9–10.