Firaisana ara-nofo eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy Jereo koa Fanitsakitsaham-bady; Manarana ny Filan’ny nofo Fifampilan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy. Mandrara ny firaisana ara-nofo toy izany Andriamanitra. Avoahy ho aty aminy izy ireo hahalalanay azy, Gen. 19:1–11 (Mos. 5:51–53). Tsy handry amin’ny lehilahy ianao; fahavetavetana izany, Lev. 18:22 (Lev. 20:13). Tsy hisy Sodomita amin’ireo zanakalahin’i Isiraely, Deot. 23:17. Manambara ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy fa tsy manafina izany, Isa. 3:9 (2 Ne. 13:9). Ny lehilahy dia maimay tamin’ny fifampilan’izy samy lehilahy, Roma. 1:27. Ny mpierina amin’ny lehilahy dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra, 1 Kor. 6:9–10. Tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna fa ireo izay mandoto ny tenany amin’ny lehilahy, 1 Tim. 1:9–10. Ireo izay mandeha manaraka nofo hafahafa dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo mandrakizay, Joda 1:7.