Hana
Ny renin’i Samoela, ilay mpaminanin’ny Testamenta Taloha. Nomen’ny Tompo an’i Hana i Samoela ho valin’ny fivavany (1 Sam. 1:11, 20–28). Natolotr’i Hana ho an’ny Tompo i Samoela. Ny hira fisaorany dia azo ampitahaina amin’ny an’i Maria, renin’i Jesoa (1 Sam. 2:1–10; Lio. 1:46–55).