Fanamelohana Jereo koa Fitsarana; Fitsarana Farany, ny Mitsara na tsarain’ Andriamanitra ho meloka. Hohelohan’ Andriamanitra ny mamoron-tsain-dratsy, Ohab. 12:2. Faizin’ny Tompo isika mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao, 1 Kor. 11:32. Hanameloka antsika ny tenintsika, ny asantsika ary ny eritreritsika, Almà 12:14. Ny fahalalana zavatra sy ny tsy fanaovana azy dia hahatonga ny olona ho eo ambany fahamelohana, Hel. 14:19. Raha atsahatsika ny asa, dia hoentina ho eo ambany fanamelohana isika, Môrô. 9:6. Izay tsy mamela ny rahalahiny dia meloka eo anoloan’ny Tompo, F&F 64:9. Izay manota amin’ny hazavana lehibe kokoa dia handray fanamelohana lehibe kokoa, F&F 82:3. Ny Fiangonana iray manontolo dia eo ambany fanamelohana ambara-pibebahany sy ahatsiarovany ny Bokin’i Môrmôna, F&F 84:54–57.