Mandinika sy mieritreritra lalina, matetika momba ny Soratra Masina na ny zavatra hafa an’ Andriamanitra. Mety hitondra fanambarana sy fahatakarana ny fisaintsainana ny zavatr’ Andriamanitra rehefa arahim-bavaka.
Raha mbola nipetraka nisaintsaina tao am-poko aho, dia nentina tao amin’ny Fanahy, 1 Ne. 11:1 .
Misaintsaina ny Soratra Masina ny foko, 2 Ne. 4:15 .
Nandeha tamin’ny lalany i Nefia, nisaintsaina ny zavatra izay efa nasehon’ny Tompo, Hel. 10:2–3 .
Modia any an-tranonareo, ary saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko, 3 Ne. 17:3 .
Tsarovy ny naha-feno famindram-po ny Tompo ary saintsaino ao am-ponareo izany, Môrô. 10:3 .
Saintsaino ny amin’ny zavatra izay efa noraisinao, F&F 30:3 .
Ary raha mbola nisaintsaina ireo zavatra ireo izahay, dia nikasika ny mason’ny fahatakaranay ny Tompo, F&F 76:19 .
Nipetraka tao an’efitranoko aho nisaintsaina ny momba ny Soratra Masina, F&F 138:1–11 .