Miaiky
Manana hevitra roa farafahakeliny ny teny hoe fiekena ao amin’ny soratra masina. Amin’ny heviny anankiray, ny hoe miaiky dia milaza ny finoany zavatra iray, toy ny hoe miaiky fa i Jesoa no Kristy (Mat. 10:32; Roma. 10:9; 1 Jn. 4:1–3; F&F 88:104).
Amin’ny heviny anankiray hafa, ny hoe miaiky dia mitsotra ny hadisoan’ny tena, toy ny miaiky ny fahotana. Adidin’ny olon-drehetra ny miaiky ny fahotany rehetra amin’ny Tompo ary mahazo avy Aminy ny famelana ny helony (F&F 58:42–43). Tokony hibabohana amin’ny olona nanaovana hadisoana ireo ota rehefa ilaina izany. Ny hadisoana bevava dia tokony hibabohana amin’ny mpitondra Fiangonana (amin’ny eveka amin’ny ankapobeny).