Zenôsa Mpamin’nynin’i Isiraely tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny faminaniany momba ny asa anirahana hotontosain’i Kristy. Naminany mikasika ny fandevenana an’i Kristy sy ny haizina mandritra ny telo andro, 1 Ne. 19:10, 12. Nanambara mialoha ny fanangonana ny Isiraely, 1 Ne. 19:16. Nitatitra ny tenin’i Zenôsa mikasika ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva voakolokolo sy ny hazo oliva dia i Jakoba, Jkb. 5. Manazava ny fanoharan’i Zenôsa i Jakoba, Jkb. 6:1–10. Nampianatra mikasika ny vavaka sy ny fitsaohana, Almà 33:3–11. Nampianatra fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’ny Zanaka, Almà 34:7. Novonoina noho ny fanambarana tamim-pahasahiana nataony, Hel. 8:19. Niteny mikasika ny famerenana indray ny Lamanita, Hel. 15:11. Vavolombelona nanambara ny faharavana tamin’ny fahafatesan’i Kristy, 3 Ne. 10:15–16.