Toetran’izay natsahatra tamin’ny fivoarany ka nolavina ny ahazoany manatrika an’ Andriamanitra sy ny Voninahiny. Misy ambaratonga samihafa ny fahamelohana. Ireo rehetra izay tsy mahazo ny fahafenoan’ny fisandratana selestialy dia ho voafetra ihany ny fivoarany sy ny tombontsoany, ka dia voaheloka araka izany izy ireo.
Lozanareo mpihatsaravelatsihy! hahazo ny fahamelohana lehibe tokoa ianareo, Mat. 23:14 .
Izay manevateva ny Fanahy Masina dia manambana azy ny fahamelohana mandrakizay, Mar. 3:29 .
Ireo izay efa nanao ratsy dia hivoaka ho any amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho fahamelohana, Jao. 5:29 (3 Ne. 26:5 ).
Izay mihinana sy misotro tsy amin’ny fahamendrehana dia mihinana sy misotro fahamelohana ho an’ny tenany, 1 Kor. 11:29 (3 Ne. 18:28–29 ).
Izay tsy mety mibebaka sady tsy atao batisa no tsy maharitra hatramin’ny farany dia tsy maintsy hohelohina, 2 Ne. 9:24 (Mar. 16:16 ; Ete. 4:18 ; F&F 68:9 ; 84:74 ).
Ho fadiranovana kokoa ny olon-dratsy raha hiara-hitoetra amin’ Andriamanitra toy izay hiara-hitoetra amin’ny fanahy voaheloka ao amin’ny helo, Môrm. 9:4 .
Izay tsy manao na inona na inona raha tsy baikoina dia voaheloka, F&F 58:29 .
Izay mandray ny fahafenoan’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay dia tsy maintsy manaraka ny lalàna, raha tsy izany dia hohelohina izy, F&F 132:6 .