Olom-boafidy Ny olom-boafidy dia ireo izay tia an’ Andriamanitra amin’ny fony manontolo ary miaina araka ny sitrany. Ireo mpianatra izay miaina toy izany dia hofantenan’ny Tompo indray andro any ho anisan’ireo zanaka nofinidiny. Raha azo atao, na ny olom-boafidy aza dia hofitahiny, Mat. 24:24. Nifaly i Jaona, satria ireo zanak’ilay andriambavy voafidy dia marina sady mahatoky, 2 Jn. 1. Voavela ny helokao ary ianao dia vehivavy nofinidy, F&F 25:3. Mandre ny feoko ny olom-boafidiko ary tsy manamafy ny fony, F&F 29:7. Dia toy izany no hanangonako ny olom-boafidiko avy amin’ny vazan-tany efatra, F&F 33:6. Homena ho famonjena ny olom-boafidiko ny Soratra Masina, F&F 35:20–21. Ireo izay milofo amin’ny antson’ny fisoronana dia tonga olom-boafidin’ Andriamanitra, F&F 84:33–34. Noho ny amin’ny olom-boafidy, dia hohafohezina ny androm-pahoriana, JS—M 1:20.