Jaona Mpanao Batisa Jereo koa Elià; Fisoronana Aharôna Zanakalahin’i Zakaria sy i Elizabeta, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nirahina i Jaona hanomana ny olona handray ny Mesia (Jao. 1:19–27). Nihazona ny fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna izy ary nanao batisa an’i Jesoa Kristy. Naminany ny amin’ny asa anirahana an’i Jaona i Isaia sy ireo hafa, Isa. 40:3 (Mal. 3:1; 1 Ne. 10:7–10; 2 Ne. 31:4). Naiditra an-tranomaizina ary notapahin-doha, Mat. 14:3–12 (Mar. 6:17–29). Nanambara ny fahaterahan’i Jaona sy ny asa fanompoany tamin’i Zakaria i Gabriela, Lio. 1:5–25. Nampianatra i Jesoa fa mpaminany lehibe i Jaona Mpanao Batisa, Lio. 7:24–28. Nahafantatra an’i Jesoa ho ilay Zanak’ Andriamanitra, Jao. 1:29–34. Nanjary mpianatr’i Jesoa ireo mpianatr’i Jaona, Jao. 1:25–29, 35–42 (Asa 1:21–22). Tsy nanao fahagagana, Jao. 10:41. Olona efa natsangana tamin’ny maty Izy raha nirahina hanokana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ho amin’ny Fisoronana Aharôna, F&F 13 (F&F 27:7–8; JS—T 1:68–72). Natokan’ny anjely fony izy vao feno valo andro, F&F 84:28.